14-07-MG Ndao miaraka midera ny Tompo

Ndao miaraka midera ny Tompo

14-07-MG

mg

CHANT PRINCIPAL : 14-07-CA

R. Ndao miaraka midera ny Tompo,
Mankalaza Azy tsy misy fetra.
Manao zava-mahagaga ho ahy Izy,
Ary toy izany koa ho anareo.

1. Noho ny Tompo mitsinjo ahy,
Na dia tsinotsinona aho.
Fenoany ny fasoavany aho,
Mifaly ao Aminy ny foko.

2. Mandrakizay ny indrafony
Amin’ny olona rehetra matahotra Azy.
Omeo voninahitra ny Anarany Masina,
Fa soa lehibe no nataony.

3. Asandrany ny sandrin(y) mahery
Mampihahaka ny mpana-karena.
Manototra soa an’ireo mahantra,
Amin’ireo mitady Azy.

4. Tsaroany ilay fitiavany,
Ny manetry-tena asandrany.
Miahy sy miaro ny vahoakany,
Mitana ny toky nomeny Izy.

Lohateny voalohany (EN) : Come, magnify the Lord with me © 1999, Emmanuel Publications, 89 boulevard Blanqui, 75013 Paris Dikanteny : © 2019, Fikambana Emmanuel, Madagasikara

Tons de Psaume - Sol Majeur

99-99-04-FR

Tons de Psaume - Rém

99-99-03-FR

Tons de Psaume - Lam

99-99-02-FR

Tons de Psaume - Do Majeur

99-99-01-FR

Tons de Psaume

99-99-FR

弥撒程序 - 礼成仪式

99-98-08-ZH