R. Ny fonao ry Jesoa mirehipitiavana,
Mider(a) Anao izahay, loharano ny fiainana !
Voninahitra ho Anao,
Tamin’ny lanivoanao mivoaka ilay onin-dranovelona.
1. Noraisinao ny fahalemenay,
Natolotrao ny tenanao.
Raha miara-maty Aminao izahay,
Dia miara-belona aminao koa !
2. Teo ambonin’ny lakroa no nandatsahanao
Ny rà sy ranon’ny famonjena.
« Izay misotro ny ranovelona
Dia tsy hangetaheta intsony. »
3. Ianao ilay zanak’ondry natao sorona,
Nofantsihana noho ny otanay.
Tamin’ny fonao voalefona
Ilay f’tiavanao tsy misy fetra.
4. Avia izay mitondra fahoriana ,
Fa hanamaivana anareo aho .
Mitoera ao amin’ny fitiavako ianareo,
Dia ahita fiadanana.
Lohateny voalohany (FR) : Ô Jésus, sauveur
© 2005, Éditions de l’Emmanuel, 89 boulevard Blanqui, 75013 Paris
Dikanteny : © 2019, Fikambana Emmanuel, Madagasikara