1. Ry ain’Andriamanitra ô avia !
Vahiny malemy fanahy.
Ry ain’Andriamanitra ô avia !
Mba diniho, jereo (i)zahay.
R. Ry Fanahy ô, hazavao (i)zahay,
Mba hamiratra ny fahamarinanao.
Manilo anay ny fahazavanao,
Ho vao, vaovao (i)zahay.
Avia ry Fanahy Masina ô !
Avia, midina ao amponay !
2. Ry ain’Andriamanitra ô avia !
Ry Tompon’ny fonay avia.
Ry ain’Andriamanitra ô avia,
Tariho làlana izahay.
3. Ry ain’Andriamanitra ô avia !
Mirehi-pitiavana.
Avia, mba havaozy izahay
Amin’ny afo-pitiavanao !
Lohateny voalohany (EN) : Come, Holy Spirit, comforter
© 2009, Emmanuel Publications, 89 boulevard Blanqui, 75013 Paris
Dikanteny : © 2019, Fikambana Emmanuel, Madagasikara