Mifidy Anao anay anio, Ry Maria,
Eto anatrehan’ny Anjely sy ny Olomasina rehetra,
Mba ho reninay sy ho mpanjakavavinay.
Atolotray sy atokanay ho Anao,
Amin’ny maha mpanomponao anay,
Ny tenanay rehetra
Sy ny fanananay rehetra
Ary ny vokatry ny asanay rehetra,
Na ny lasa, na ny ankehitriny, na ny ho avy.
Anjakao tanteraka
Araka izay sitrakao
Ny tenanay
Sy izay anananay rehetra,
Mba ho voninahitr’Andriamanitra
Mandrakizay ka ho mandrakizay.