R. Mifalifalia, ianareo madio-fo,
Ianareo Zanaka tena tia ny Ray.
Ny fanjakan’ny lanitra dia ho hitanareo,
Indro ho anareo ny Mpamonjy.
1. Te hisaotra an’ny Tompo, mandrakariva aho,
Miravoravo amin’Andriamanitra ny fanahiko.
Mihaino ny madinika revon-kafalina,
Sambatra, hahita Azy Tompo.
2. Avia hihira sy hidera ny Tompo,
Raha miantso aho, dia mamaly foana Izy.
Manafaka ahy amin’ny tahotro Izy.
Ny anarany dia mahery.
3. Sokafy ny maso, jereo ny Andriamanitsika.
Mamirapiratra izay mibanjina azy.
Mitaraina ny madinika, mihaino ny Tompo.
Jereo ny hatsaran’ny Tompo.
4. Sambatra izay mialoka amin’ny Tompo,
Tsy ory zavatsoa izay mitady Azy.
Henoy izy ary manàna fihavanana,
Manaova ny tsara hatrany.
Lohateny voalohany (FR) : Criez de joie, pauvres de cœur
© 2003, Éditions de l’Emmanuel, 89 boulevard Blanqui, 75013 Paris
Dikanteny : © 2019, Fikambana Emmanuel, Madagasikara