R. Te hihira ny fitiavanao aho Tompo,
Mandrakariva ny fiainako.
Mihira ho Anao sy mandihy ho Anao
Voninahitra ny Anaranao.
1. Ny fitiavanao
Mahery noho ny rehetra
Nomenao anay ny fiainana,
Ny Fanahy mandrehitra anay.
Dera ho Anao !
2. Andriamanitro Ianao,
Tompoko Ianao,
Ianao irery no mpanafaka ahy
Vatolampy hifaharako.
Dera ho Anao !
3. Tsy mivadika Ianao,
Fa eo mandrakariva,
Akaiky an’ireo mitady Anao
Valianao ireo miantso Anao.
Dera ho Anao !
4. Indro tonga Ianao,
Eto anivonay
Mitoetra eo anivom-piainanay
Mba hitarika anay ho amin’ny Ray.
Dera ho Anao !
5. Miaraka Aminao,
Tsy matahotra aho
Na inona, na inona
Eo andalako foana.
Dera ho Anao !
Lohateny voalohany (FR) : Je veux chanter ton amour, Seigneur
© 1994, Éditions de l’Emmanuel, 89 boulevard Blanqui, 75013 Paris
Dikanteny : © 2019, Fikambana Emmanuel, Madagasikara