1. Tompo ô aminao no andrasanay ny fiainana,
Dia hideranao izany vavako !
Ianao no fiarovana hianteheranay,
Dia hideranao izany vavako !
Ny afalian’ny fo dia avy aminao Tompo ô,
Dia hideranao izany vavako !
Ny anaranao masina hitokianay !
Dia hideranao izany vavako !
R. Midera Anao Tompo ô, fa lehibe Ianao,
Midera Anao amin’ny zava-bitanao.
Voninahitra, mpandresy Ianao,
Ny fitiavanao mameno ny fonay.
Dia hideranao izany vavako !
2. Nanazava ny haizianay Ianao Tompo ô,
Dia hideranao izany vavako !
Manazava sy manilo dianay Ianao,
Dia hideranao izany vavako !
Mankahery anay amin’ny sedram-piainana,
Dia hideranao izany vavako !
Mankahery anay amin’ny finoana Ianao !
Dia hideranao izany vavako !
3. Tonga hamonjy ny zanakao very Ianao,
Dia hideranao izany vavako !
Ao ampony manantena ny fitiavanao,
Dia hideranao izany vavako !
Amin’ny fahoriana miantso Anao Tompo ô,
Dia hideranao izany vavako !
Henonao ny antson’izireo Tompo ô !
Dia hideranao izany vavako !
4. Nanafaka ahy amin’ny fahavaloko Ianao,
Dia hideranao izany vavako !
Nandresy ahy amin’ny mpampaory Ianao,
Dia hideranao izany vavako !
Amin’ny firenen-drehetra izaho misaotra Anao,
Dia hideranao izany vavako !
Mankalaza Anao mandrakariva aho !
Dia hideranao izany vavako !
Lohateny voalohany (FR) : Que ma bouche chante ta louange
© 2010, Éditions de l’Emmanuel, 89 boulevard Blanqui, 75013 Paris
Dikanteny : © 2019, Fikambana Emmanuel, Madagasikara