1. Mankalaza, midera, ny fitiavanao anay,
Amalianay Anao ny fitiavanay.
Tompo ô atolotray ny tenanay manontolo.
Ny hira ny fonay no atolotray !
R. Lehibe ny herinao,
Ray Masina ô !
Kaloinay tsy misy fetrany
Ny fiderana Anao.
2. Manenika anay ny hasin’ny Tempolinao,
Novokisinao ireo vahoaka noana.
Lehibe ny f’tiavanao, ry Tompo tsara-fo,
Midera Anao zany lelako mandrakizay !
3. Tsy hitahisa ny zava-mahagaga vitanao
Mampiseho aminay ny alehibenao.
Manoloana Anao, kely indrindra izahay,
Mihetry tena izahay, mitsaoka Anao !
Lohateny voalohany (FR) : Grande est ta puissance
© 2010, Éditions de l’Emmanuel, 89 boulevard Blanqui, 75013 Paris
Dikanteny : © 2019, Fikambana Emmanuel, Madagasikara