R. Indro ny fotoana ivoahan’ny fasana,
Hifoazanareo amin’ny toromaso ny alina,
Hanantonanareo ny hazavana
Hobio Andriamanitra ! (bis)
1. Mandresy ny alina, Kristy velona,
Mampiseho ny endriky ny Ray.
Fahazavanay Ianao, hafalianay Ianao.
Misaotra Anao, manafaka anay !
2. Miombona amin’i Kristy velona,
Mitondranay amin’ny voninahitra mandrakizay.
Asehonao ny Ray, izay nankinina aminao.
Midera Anao, raiso ny vavakay !
3. Nomenao ny Fanahy, Kristy velona,
Mampiely ny loharano velona.
Zanaka tianan’ny Ray, mamonjy anay Ianao.
Lehibe ny famindram-ponao !
4. Mpanjakan’izao tontolo izao Ianao,
Manjaka eo ankavanan’ny Ray.
Tonga amim-boninahitra, hanangana anay.
Ho tonga anie ny fanjakanao !
Lohateny voalohany (FR) : Il est temps de quitter vos tombeaux
© 2007, Éditions de l’Emmanuel, 89 boulevard Blanqui, 75013 Paris
Dikanteny : © 2019, Fikambana Emmanuel, Madagasikara