R. Ry Fanahy Masina ô,
Tomponay Ianao !
Avia Fanahy afo mandoro,
Mitoera ao amponay !
1. Fanahy mpanamasina,
Fanahy Fahamarinana !
Fanahy Fitiavana,
Avia havaozy izahay !
2. Fanahy mpanafakalahelo,
Fantatrao ny tahotray !
Omeo fiadanana ny fonay,
Avia harovy izahay !
3. Manjelatra ao amin’ny alina,
Hafanao sy diovy izahay !
Avia Afo nampanantena,
Ovao ny fiananay !
Lohateny voalohany (DE) : Komm, Heiliger Geist, komm mit deiner Kraft
© 1996, Gemeinschaft Emmanuel, Kolbergstraße 4, 84503 Altötting
Dikanteny : © 2019, Fikambana Emmanuel, Madagasikara