07-63-MG Avia, ry Fanahy Mpahary (Veni Creator)

Avia, ry Fanahy Mpahary (Veni Creator)

07-63-MG

mg

CHANT PRINCIPAL : 07-63-MG

R. Avia Fanahy Masina ô, midina ao am-ponay,
Fanahy Masina ô, Mpanafakalahelo.

1. Avia, ry Fanahy Mpahary,
Vangio ny fanahin’ny olonao,
Fenoy ny fahasoavanao masina,
Ny fonay izay noforoninao.

2. Ianao no Mpanaka alahelo,
Sy fanomezan’Andriamanitra Avo indrindra,
Rano velona, afo masina, fitiavana,
Ary fanosorana masina mankahery ny fanahy.

3. Ianao no mpizara ny fanomezana fito,
Rantsan-tanan’Andriamanitra mahery,
Ianao no nampanantenain’ny Ray,
Mpitari-dalana ny molotray hanambara ny teny marina.

4. Tsilovy amin’ny fahazavanao ny sainay,
Ampireheto fitiavana Anao ny fonay,
Tohano amin’ny herinao ny vatanay,
Fa osa sy malemy izahay.

5. Atoseho lavitra anay ny fahavalo,
Omeo faingana re ny fiadanana,
Ary tariho lalana koa izahay,
Tsy ho voan’ny loza mananontanona anay.

6. Ampianaro hahalala ny Ray izahay,
Atoroy hahafantatra ny Zanaka,
Ary ataovy mino mandrakariva,
Fa Andriamanitra avy amin’ny Ray sy ny Zanaka Ianao.

7. Gloire à Dieu, notre Père dans les cieux,
Gloire au Fils qui monte des enfers,
Gloire à l’Esprit de force et de sagesse,
Dans tous les siècles des siècles. Amen !

Lohateny voalohany (FR) : Viens, Esprit Saint, viens, Consolateur (Veni Creator) © 1986, Éditions de l’Emmanuel, 89 boulevard Blanqui, 75013 Paris Dikanteny : © 2019, Fikambana Emmanuel, Madagasikara

Tons de Psaume - Sol Majeur

99-99-04-FR

Tons de Psaume - Rém

99-99-03-FR

Tons de Psaume - Lam

99-99-02-FR

Tons de Psaume - Do Majeur

99-99-01-FR

Tons de Psaume

99-99-FR

弥撒程序 - 礼成仪式

99-98-08-ZH