COTE IEV: 19-01-MG-PARTIEV

Hobiontsika ny Mpanjakan’ny lanitra [PARTIEV]

Tonony sy feony : Fikambana Emmanuel (B. Pavageau)

F/v. Hobiontsika ny Mpanjakan’ny lanitra, omeo voninahitra ny Anarany !
Mitsaoka ny Emanoela isika, Andriamanitra eto amintsika.
Mandrehitra ny fontsika Izy amin’ny Fanahy Masina,
Deraintsika i Jesoa Mpamonjy ao Aminy ny Fanantenana.

1. Nasehony ny fony feno fitiavana.
Mitsaoka Azy noho izany isika.
Mifalia ao Aminy !

2. Mangoraka antsika i Jesoa eo amin’ny lakroa.
Manentana antsika ny fitiavana ny anarany.
Mifalia ao Aminy !

3. Eo ny fanjakany, ny Evanjely notoriny.
Mankalaza an’i Kristy nitsangan-kovelona.
Mifalia ao Aminy !

Lohateny voalohany (FR) : Acclamons le Roi du ciel
© 2012, Éditions de l’Emmanuel, 89 boulevard Blanqui, 75013 Paris
Dikanteny : © 2019, Fikambana Emmanuel, Madagasikara

CE PRODUIT N'EST PAS ENCORE DISPONIBLE

Pour être avertis de la mise en ligne de ce produit vous devez être authentifié. Je me connecte

Apprendre ce chant

Ecouter sur les plateformes