COTE IEV: 26-02-MG-PARTIEV
Feony : S. Langton / M.-L. Thurmair – Tonony : C. Heidenbauer
1. Ry Fanahy ô avia
Ahidino ho anay ety
‘Lay tara-pahazavana
2. Ray mitia ireo mahantra
Zarao soa avy any an-danitra
Tsiloy fahasoavana
3. Ry mpanafaka alahelo
Ry olona fahatelo
Mamy fialofana
4. Raha sendra reraka
Tonga alokaloka
Tambitamby iantefana
F/v. Toy ny rivotra izay mahery
Nidina avy any an-danitra
Ilay afo mandrehitra
Fanahy ô, fenoy izahay
5. Avia ry fahazavana
Santatry ny soa lovana
Avia mamenoa ny fo
6. Raha tsy ny herinao
Raha tsy honenanao
Zava-poana mamoy fo
7. Diovy raha sendra maloto
Raiso re ny fo mazoto
Kasiho hositranina
8. Alefaho ny mafy fo
Ampianaro hamindra fo
Ahitsio ho marina
9. ‘Zay rehetra mino anao
Omeo ny fanomezanao
Ianao toky hatrizay
10. Avia, vonjeo, anjakao
Hasambaram-baovao
Anio sy mandrakizay
Lohateny voalohany (DE) : Wie ein Brausen des Himmels – Pfingstsequenz
© 2014, Loretto Music, Geistliches Zentrum Operngasse, Operngasse 4/17, 1010 Wien
Dikanteny : © 2024, Fikambana Emmanuel, Madagasikara
Pour être avertis de la mise en ligne de ce produit vous devez être authentifié. Je me connecte